Menu:

Recent Entries

Categories

Tononkalon'i Karako [6]
Teny Malagasy [3]
Fiainana andavanandro [2]
Ankapobeny [1]

Links

Ankapobeny
- La bonne semence
- L'Express de Madagascar
- Top chrétien
- Takelak'i FMBM

Syndicate

RSS 0.90
RSS 1.0
RSS 2.0
Atom 0.3

Version:

andreas01 v1.3

Ianao masoandroko

karako | 28 Febroary, 2008 11:06

Ho manga lalandava ny lanitra manomboka izao
Nisinda lasana any ny rahona teo amiko sy ianao
Minoa ahy ry Tiako fa resy lahatra aho anio :
Ianao no masoandro mandravaka io lanitra io!

Hadinontsika any ireo olana nandatsa-dranomaso
Nitsahatra tanteraka ny orana izay nanao ankaso
K'ianao no indro avana*, mandoko sy miavaka
Ianao no masoandro araratro ho firavaka!
...
Vao omaly anefa dia voarakotra fanala izany foko
Vao omaly anefa nila hafanana aho, nifify nitakoko
Dia indro ianao ry Tiako nanantona nihavana
Ianao ilay masoandro mampitsoaka zavona!
Karako
2008-02-14

Posted in Tononkalon'i Karako, Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (14). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

MINDRANA vs MISAMBOTRA

karako | 27 Septambra, 2007 16:23

MINDRANA : ampiasaina amin'ny fitaovana. Ny zavatra indramina ihany no averina.

Ohatra :

Mindrana fiara, mindrana boky...

 

MISAMBOTRA : ampiasainaamin'ny zavatra mety lany (consommable). Ka tsy ilay nosamborinao no averinao fa ny mitovy lanja aminy.

Ohatra :

Misambo-bola, misambotra  vary...

---

Tsy nandalina manokana momba ny teny  Malagasy akory ny tena fa mba izay kely mba heno tetsy sy teroa no zaraina. Azo iadian-kevitra ihany koa na ahitsy raha misy mahita fa diso izay aroso eto.

 

Posted in Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (5). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Safidy tokana

karako | 26 Septambra, 2007 08:40

Mifidiana ny ho mpihazakazaka
Tsy hijanona ho mpitan-jiro
Ny mitazana tsy mampatanjaka
Mandraisa anjara hahita ny tsiro.

Aoka ianao mba ho mpilalao
Hiara-hiady handrombaka amboara;
Tontosao izay andraikitrao
F'izay mitehaka fotsiny adala.

Aoka ianao hioitra hatrany
Hananika ny zana-tohatra
Rehefa miainga manomboka ambany
Fa mikiry mba ho atao Ohatra.

Hafa ihany ny irin'olona e,
Tsy mitsiriritra ny hafa
Miezaha mamita aman-tolona
Fa ny asa tsy vitan'ny tafa.

Karako
2007-09-21

--******************-- 

Iombonako hevitra amin'ny namana iray izay (i Dadarabe). Nanoratra izy hoe "Miasa, miasa ihany, miasa hatrany...".

Izay ihany tokoa no fomba ahatafavoaka eo @ fiaianana. Raha hiandry ny hafa (ny Fanjakana, ny havana, ny namana...) fotsiny dia tavela eo.

Posted in Tononkalon'i Karako, Fiainana andavanandro . Hametraka hevitra: (2). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Zandrikely

karako | 24 Septambra, 2007 14:13

Izay zandry keliko izay dia mahery fo
Fa tena vehivavy miasa mafy, mahazaka loloha.

Izay zandry keliko izay dia matanja-tsaina,
Na ali-mikitro na ora-mitraho dia tsy mitaraina.

Izay zandry keliko izay dia olo-mahitsy:
Anisan'ireo mpandala ny rariny izay vitsy dia vitsy.

Izay zandry keliko izay dia manam-pinoana,
Miatrika ady, ka na inon-kidona dia tsy mba mirona.

Izay zandry keliko izay dia manana anay:
vady aman-janaka, zoky sy zandry, ary reny sy ray.

Izay zandry keliko izay tahian'Andriamanitra!
Ho ela velona, hahita fiadanana, veloma finaritra...

Karako
2007-09-20

Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Mpitoratoraka

karako | 20 Septambra, 2007 11:01

Aza milalao fitia
Aza mampijaly ankizy
Aza araraotina satria
Fantatrao fa tia izy.

Tia anao tamin'ny fo
Nino anao tamin'ny teny
Ary nanantena koa
Fa haharitra ombieny.

Dia nilaozanao avy eo
Fa efa vita ny natao.
Lasa ianao f'efa leo
Avela iny fa lalao...

Mora ange ny miaraka,
Hoy ilay Gaigilahy izay,
Fa tena mafy ny misaraka
Ary ny vokany tsy hay.

Lalao ihany ny mitoraka
Ilay sahobakakanao
Fa voa ny kibony mivoraka,
Tena maty! Tsy lalao.

Karako
2007-08-24

Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Misy mpandranitra

karako | 19 Septambra, 2007 05:19

Tany Toliary no niseho ny tantara. Efa nahita azy ity tamin'ny gazety ihany angamba ny sasany amintsika.

Tamin'ny Sabotsy 08 Septambra dia naharay vaovao avy any Madagasikara aho; ilay efa handeha hamonjy fandriana iny. Nisy nanafika tao an-tranony ny rahalahin-draiko. Namoy ny ainy tamin'izany noho ny tifitra nahazo azy ny vadiny. Izy kosa voan'ny bala fito fa velona ihany. Amin'izao fotoana izao efa afaka ny bala sasany taminy. Efa ao Tanà izy izao. Ny zanany roa vavy izay mbola kely taona ihany dia efa niditra nianatra omaly ao Tanà.

Ny nahatonga ahy hiresaka azy ity eto dia namaky tamin'ny Gazety L'express de Madagascar aho omaly fa nisy voatifitra ka maty ny jiolahy nanankorontana tany Toliary tao ho ao. Nodarohin'ny fokonolona ilay jiolahy. Angamba anisan'ireo dimy lahy nanafika tao an-tranon'ilay dadafarako io.

Ny zavatra tsapako dia any Madagasikara ny adim-poko dia rangitin'ireo mpanao politika. Fa raha samy vahoaka mahay mifandefitra sy miara-miaina eo amin'ny fiainana adavanandro na dia eo aza ny fahasamihafana. Efa nahatsapa izany koa aho tamin'ny niaina tany Nosy Be.

Izay fa lava loatra. Misaotra namaky e!

Posted in Fiainana andavanandro . Hametraka hevitra: (2). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Vavako

karako | 18 Septambra, 2007 10:03

Kely loatra ka tsy sahy miandrandra anao akory.
Mpanota loatra ka mivalo noho ny vita mampaory
Ry Raiko mba iantrao ity zaza adala kely saina
Indrafo sy famelana : mba omeo hampody aina


Isan'andro vaky izao tsy mba mety mahatontosa
Ireo hafatrafatrao. Tena hita f'olon'osa
Ka mila hery ho enti-miady, mila tehina hitsanganana
Zazakely lalandava aho ka miandry ho tantanana.


Soa fa teo ny Teninao fanafody mampahery
Soa fa teo ny Zanakao izay nanangona ny very
Ny teninao no lalana, fahamarinana sy fiainana
Ny fitiavanao no mampitraka. Ianao no itarainana.

Karako
02/08/2001

Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Hiteny gasy ve ?

karako | 08 Septambra, 2007 07:50

Ady hevitra mateti-pitranga izy ity. Indrindra ho an'ny olona izay mipetraka ivelan'ny Madagasikara.

Raha ny hevitro dia tokony hiteny Malagasy rehefa samy Malagasy. Indrindra ao an-trano miaraka amin'ny ankizy. Tsy very amin'izay ny tenin-drazana. Mora manadino manko ny ankizy ary mora mahay ihany koa.

Harena ny tenin-drazana ka tokony ho kolokoloina tsy ho faty e.

Posted in Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (8). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Tiako ianao satria...

karako | 07 Septambra, 2007 17:22

Tsara ny fitia izay nomenao ahy
Mamy be satria tsy ananako ahiahy;
Ahy manontolo tsy voazarazara
Fitiavana bontolo sy mangarahara.


Tiako ianao dia ianao, ivelany sy anatiny
Tiako tsotra izao sy laniko ambogadiny :
Ny tsiky moramora tsy tazana matetika,
Ny bikanao midola sy tena mampiherika.


Vao mainka koa sambatra noho izy mianadahy
Simenitra manambatra iaraha-misalahy
Mamatotra ho mafy ilay fitiavana-tanora
Tena fatomaty fa tsy mba goragora.


Tsara ny fitia izay nomenao akia
Mitoky aho fa tia, tiako ianao satria...

Karako 

2007-09-07

Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (5). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra

Faly miarahaba

karako | 07 Septambra, 2007 16:46

Betsaka ny zavatra tiana ho lazaina. Betsaka ny zavatra tokony ho tenenina. Fa miady mafy amin'ny fotoana isan'andro isan'andro. Ohatry ny tsisy fotoana izany foana... Fa nahoana ?

Na izany aza hiezaka e.

 

Tonga soa!

Posted in Ankapobeny . Hametraka hevitra: (0). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra