Misy mpandranitra
karako | 19 Septambra, 2007 05:19Tany Toliary no niseho ny tantara. Efa nahita azy ity tamin'ny gazety ihany angamba ny sasany amintsika.
Tamin'ny Sabotsy 08 Septambra dia naharay vaovao avy any Madagasikara aho; ilay efa handeha hamonjy fandriana iny. Nisy nanafika tao an-tranony ny rahalahin-draiko. Namoy ny ainy tamin'izany noho ny tifitra nahazo azy ny vadiny. Izy kosa voan'ny bala fito fa velona ihany. Amin'izao fotoana izao efa afaka ny bala sasany taminy. Efa ao Tanà izy izao. Ny zanany roa vavy izay mbola kely taona ihany dia efa niditra nianatra omaly ao Tanà.
Ny nahatonga ahy hiresaka azy ity eto dia namaky tamin'ny Gazety L'express de Madagascar aho omaly fa nisy voatifitra ka maty ny jiolahy nanankorontana tany Toliary tao ho ao. Nodarohin'ny fokonolona ilay jiolahy. Angamba anisan'ireo dimy lahy nanafika tao an-tranon'ilay dadafarako io.
Ny zavatra tsapako dia any Madagasikara ny adim-poko dia rangitin'ireo mpanao politika. Fa raha samy vahoaka mahay mifandefitra sy miara-miaina eo amin'ny fiainana adavanandro na dia eo aza ny fahasamihafana. Efa nahatsapa izany koa aho tamin'ny niaina tany Nosy Be.
Izay fa lava loatra. Misaotra namaky e!
Posted in
Fiainana andavanandro .
Hametraka hevitra: (2).
Verindrohy (trackback):(0).
Rohy maharitra
«Next post |
Previous post»