Vavako
karako | 18 Septambra, 2007 10:03Kely loatra ka tsy sahy miandrandra anao akory.
Mpanota loatra ka mivalo noho ny vita mampaory
Ry Raiko mba iantrao ity zaza adala kely saina
Indrafo sy famelana : mba omeo hampody aina
Isan'andro vaky izao tsy mba mety mahatontosa
Ireo hafatrafatrao. Tena hita f'olon'osa
Ka mila hery ho enti-miady, mila tehina hitsanganana
Zazakely lalandava aho ka miandry ho tantanana.
Soa fa teo ny Teninao fanafody mampahery
Soa fa teo ny Zanakao izay nanangona ny very
Ny teninao no lalana, fahamarinana sy fiainana
Ny fitiavanao no mampitraka. Ianao no itarainana.
Karako
02/08/2001
Posted in
Tononkalon'i Karako .
Hametraka hevitra: (3).
Verindrohy (trackback):(0).
Rohy maharitra
«Next post |
Previous post»