Ianao masoandroko
karako | 28 Febroary, 2008 11:06
Ho manga lalandava ny lanitra manomboka izao
Nisinda lasana any ny rahona teo amiko sy ianao
Minoa ahy ry Tiako fa resy lahatra aho anio :
Ianao no masoandro mandravaka io lanitra io!
Nitsahatra tanteraka ny orana izay nanao ankaso
K'ianao no indro avana*, mandoko sy miavaka
Ianao no masoandro araratro ho firavaka!
Posted in Tononkalon'i Karako, Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (14). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Safidy tokana
karako | 26 Septambra, 2007 08:40
Mifidiana ny ho mpihazakazaka
Tsy hijanona ho mpitan-jiro
Ny mitazana tsy mampatanjaka
Mandraisa anjara hahita ny tsiro.
Aoka ianao mba ho mpilalao
Hiara-hiady handrombaka amboara;
Tontosao izay andraikitrao
F'izay mitehaka fotsiny adala.
Aoka ianao hioitra hatrany
Hananika ny zana-tohatra
Rehefa miainga manomboka ambany
Fa mikiry mba ho atao Ohatra.
Hafa ihany ny irin'olona e,
Tsy mitsiriritra ny hafa
Miezaha mamita aman-tolona
Fa ny asa tsy vitan'ny tafa.
Karako
2007-09-21
--******************--
Iombonako hevitra amin'ny namana iray izay (i Dadarabe). Nanoratra izy hoe "Miasa, miasa ihany, miasa hatrany...".
Izay ihany tokoa no fomba ahatafavoaka eo @ fiaianana. Raha hiandry ny hafa (ny Fanjakana, ny havana, ny namana...) fotsiny dia tavela eo.
Posted in Tononkalon'i Karako, Fiainana andavanandro . Hametraka hevitra: (2). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Zandrikely
karako | 24 Septambra, 2007 14:13
Izay zandry keliko izay dia mahery fo
Fa tena vehivavy miasa mafy, mahazaka loloha.
Izay zandry keliko izay dia matanja-tsaina,
Na ali-mikitro na ora-mitraho dia tsy mitaraina.
Izay zandry keliko izay dia olo-mahitsy:
Anisan'ireo mpandala ny rariny izay vitsy dia vitsy.
Izay zandry keliko izay dia manam-pinoana,
Miatrika ady, ka na inon-kidona dia tsy mba mirona.
Izay zandry keliko izay dia manana anay:
vady aman-janaka, zoky sy zandry, ary reny sy ray.
Izay zandry keliko izay tahian'Andriamanitra!
Ho ela velona, hahita fiadanana, veloma finaritra...
Karako
2007-09-20
Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Mpitoratoraka
karako | 20 Septambra, 2007 11:01
Aza milalao fitia
Aza mampijaly ankizy
Aza araraotina satria
Fantatrao fa tia izy.
Tia anao tamin'ny fo
Nino anao tamin'ny teny
Ary nanantena koa
Fa haharitra ombieny.
Dia nilaozanao avy eo
Fa efa vita ny natao.
Lasa ianao f'efa leo
Avela iny fa lalao...
Mora ange ny miaraka,
Hoy ilay Gaigilahy izay,
Fa tena mafy ny misaraka
Ary ny vokany tsy hay.
Lalao ihany ny mitoraka
Ilay sahobakakanao
Fa voa ny kibony mivoraka,
Tena maty! Tsy lalao.
Karako
2007-08-24
Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Vavako
karako | 18 Septambra, 2007 10:03
Kely loatra ka tsy sahy miandrandra anao akory.
Mpanota loatra ka mivalo noho ny vita mampaory
Ry Raiko mba iantrao ity zaza adala kely saina
Indrafo sy famelana : mba omeo hampody aina
Isan'andro vaky izao tsy mba mety mahatontosa
Ireo hafatrafatrao. Tena hita f'olon'osa
Ka mila hery ho enti-miady, mila tehina hitsanganana
Zazakely lalandava aho ka miandry ho tantanana.
Soa fa teo ny Teninao fanafody mampahery
Soa fa teo ny Zanakao izay nanangona ny very
Ny teninao no lalana, fahamarinana sy fiainana
Ny fitiavanao no mampitraka. Ianao no itarainana.
Karako
02/08/2001
Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Tiako ianao satria...
karako | 07 Septambra, 2007 17:22
Tsara ny fitia izay nomenao ahy
Mamy be satria tsy ananako ahiahy;
Ahy manontolo tsy voazarazara
Fitiavana bontolo sy mangarahara.
Tiako ianao dia ianao, ivelany sy anatiny
Tiako tsotra izao sy laniko ambogadiny :
Ny tsiky moramora tsy tazana matetika,
Ny bikanao midola sy tena mampiherika.
Vao mainka koa sambatra noho izy mianadahy
Simenitra manambatra iaraha-misalahy
Mamatotra ho mafy ilay fitiavana-tanora
Tena fatomaty fa tsy mba goragora.
Tsara ny fitia izay nomenao akia
Mitoky aho fa tia, tiako ianao satria...
Karako
2007-09-07
Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (5). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra