Menu:

Recent Entries

Categories

Tononkalon'i Karako [6]
Teny Malagasy [3]
Fiainana andavanandro [2]
Ankapobeny [1]

Links

Ankapobeny
- La bonne semence
- L'Express de Madagascar
- Top chrétien
- Takelak'i FMBM

Syndicate

RSS 0.90
RSS 1.0
RSS 2.0
Atom 0.3

Version:

andreas01 v1.3

Zandrikely

karako | 24 Septambra, 2007 14:13

Izay zandry keliko izay dia mahery fo
Fa tena vehivavy miasa mafy, mahazaka loloha.

Izay zandry keliko izay dia matanja-tsaina,
Na ali-mikitro na ora-mitraho dia tsy mitaraina.

Izay zandry keliko izay dia olo-mahitsy:
Anisan'ireo mpandala ny rariny izay vitsy dia vitsy.

Izay zandry keliko izay dia manam-pinoana,
Miatrika ady, ka na inon-kidona dia tsy mba mirona.

Izay zandry keliko izay dia manana anay:
vady aman-janaka, zoky sy zandry, ary reny sy ray.

Izay zandry keliko izay tahian'Andriamanitra!
Ho ela velona, hahita fiadanana, veloma finaritra...

Karako
2007-09-20

Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
«Next post | Previous post»