Safidy tokana
karako | 26 Septambra, 2007 08:40
Mifidiana ny ho mpihazakazaka
Tsy hijanona ho mpitan-jiro
Ny mitazana tsy mampatanjaka
Mandraisa anjara hahita ny tsiro.
Aoka ianao mba ho mpilalao
Hiara-hiady handrombaka amboara;
Tontosao izay andraikitrao
F'izay mitehaka fotsiny adala.
Aoka ianao hioitra hatrany
Hananika ny zana-tohatra
Rehefa miainga manomboka ambany
Fa mikiry mba ho atao Ohatra.
Hafa ihany ny irin'olona e,
Tsy mitsiriritra ny hafa
Miezaha mamita aman-tolona
Fa ny asa tsy vitan'ny tafa.
Karako
2007-09-21
--******************--
Iombonako hevitra amin'ny namana iray izay (i Dadarabe). Nanoratra izy hoe "Miasa, miasa ihany, miasa hatrany...".
Izay ihany tokoa no fomba ahatafavoaka eo @ fiaianana. Raha hiandry ny hafa (ny Fanjakana, ny havana, ny namana...) fotsiny dia tavela eo.
Posted in Tononkalon'i Karako, Fiainana andavanandro . Hametraka hevitra: (2). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Misy mpandranitra
karako | 19 Septambra, 2007 05:19
Tany Toliary no niseho ny tantara. Efa nahita azy ity tamin'ny gazety ihany angamba ny sasany amintsika.
Tamin'ny Sabotsy 08 Septambra dia naharay vaovao avy any Madagasikara aho; ilay efa handeha hamonjy fandriana iny. Nisy nanafika tao an-tranony ny rahalahin-draiko. Namoy ny ainy tamin'izany noho ny tifitra nahazo azy ny vadiny. Izy kosa voan'ny bala fito fa velona ihany. Amin'izao fotoana izao efa afaka ny bala sasany taminy. Efa ao Tanà izy izao. Ny zanany roa vavy izay mbola kely taona ihany dia efa niditra nianatra omaly ao Tanà.
Ny nahatonga ahy hiresaka azy ity eto dia namaky tamin'ny Gazety L'express de Madagascar aho omaly fa nisy voatifitra ka maty ny jiolahy nanankorontana tany Toliary tao ho ao. Nodarohin'ny fokonolona ilay jiolahy. Angamba anisan'ireo dimy lahy nanafika tao an-tranon'ilay dadafarako io.
Ny zavatra tsapako dia any Madagasikara ny adim-poko dia rangitin'ireo mpanao politika. Fa raha samy vahoaka mahay mifandefitra sy miara-miaina eo amin'ny fiainana adavanandro na dia eo aza ny fahasamihafana. Efa nahatsapa izany koa aho tamin'ny niaina tany Nosy Be.
Izay fa lava loatra. Misaotra namaky e!
Posted in Fiainana andavanandro . Hametraka hevitra: (2). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra