Safidy tokana
karako | 26 Septambra, 2007 08:40Mifidiana ny ho mpihazakazaka
Tsy hijanona ho mpitan-jiro
Ny mitazana tsy mampatanjaka
Mandraisa anjara hahita ny tsiro.
Aoka ianao mba ho mpilalao
Hiara-hiady handrombaka amboara;
Tontosao izay andraikitrao
F'izay mitehaka fotsiny adala.
Aoka ianao hioitra hatrany
Hananika ny zana-tohatra
Rehefa miainga manomboka ambany
Fa mikiry mba ho atao Ohatra.
Hafa ihany ny irin'olona e,
Tsy mitsiriritra ny hafa
Miezaha mamita aman-tolona
Fa ny asa tsy vitan'ny tafa.
Karako
2007-09-21
--******************--
Iombonako hevitra amin'ny namana iray izay (i Dadarabe). Nanoratra izy hoe "Miasa, miasa ihany, miasa hatrany...".
Izay ihany tokoa no fomba ahatafavoaka eo @ fiaianana. Raha hiandry ny hafa (ny Fanjakana, ny havana, ny namana...) fotsiny dia tavela eo.
Posted in
Tononkalon'i Karako, Fiainana andavanandro .
Hametraka hevitra: (2).
Verindrohy (trackback):(0).
Rohy maharitra
«Next post |
Previous post»