Ianao masoandroko
karako | 28 Febroary, 2008 11:06
Ho manga lalandava ny lanitra manomboka izao
Nisinda lasana any ny rahona teo amiko sy ianao
Minoa ahy ry Tiako fa resy lahatra aho anio :
Ianao no masoandro mandravaka io lanitra io!
Nitsahatra tanteraka ny orana izay nanao ankaso
K'ianao no indro avana*, mandoko sy miavaka
Ianao no masoandro araratro ho firavaka!
Posted in Tononkalon'i Karako, Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (14). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
MINDRANA vs MISAMBOTRA
karako | 27 Septambra, 2007 16:23
MINDRANA : ampiasaina amin'ny fitaovana. Ny zavatra indramina ihany no averina.
Ohatra :
Mindrana fiara, mindrana boky...
MISAMBOTRA : ampiasainaamin'ny zavatra mety lany (consommable). Ka tsy ilay nosamborinao no averinao fa ny mitovy lanja aminy.
Ohatra :
Misambo-bola, misambotra vary...
---
Tsy nandalina manokana momba ny teny Malagasy akory ny tena fa mba izay kely mba heno tetsy sy teroa no zaraina. Azo iadian-kevitra ihany koa na ahitsy raha misy mahita fa diso izay aroso eto.
Posted in Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (5). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Hiteny gasy ve ?
karako | 08 Septambra, 2007 07:50
Ady hevitra mateti-pitranga izy ity. Indrindra ho an'ny olona izay mipetraka ivelan'ny Madagasikara.
Raha ny hevitro dia tokony hiteny Malagasy rehefa samy Malagasy. Indrindra ao an-trano miaraka amin'ny ankizy. Tsy very amin'izay ny tenin-drazana. Mora manadino manko ny ankizy ary mora mahay ihany koa.
Harena ny tenin-drazana ka tokony ho kolokoloina tsy ho faty e.
Posted in Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (8). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra