Misy mpandranitra
karako | 19 Septambra, 2007 05:19
Tany Toliary no niseho ny tantara. Efa nahita azy ity tamin'ny gazety ihany angamba ny sasany amintsika.
Tamin'ny Sabotsy 08 Septambra dia naharay vaovao avy any Madagasikara aho; ilay efa handeha hamonjy fandriana iny. Nisy nanafika tao an-tranony ny rahalahin-draiko. Namoy ny ainy tamin'izany noho ny tifitra nahazo azy ny vadiny. Izy kosa voan'ny bala fito fa velona ihany. Amin'izao fotoana izao efa afaka ny bala sasany taminy. Efa ao Tanà izy izao. Ny zanany roa vavy izay mbola kely taona ihany dia efa niditra nianatra omaly ao Tanà.
Ny nahatonga ahy hiresaka azy ity eto dia namaky tamin'ny Gazety L'express de Madagascar aho omaly fa nisy voatifitra ka maty ny jiolahy nanankorontana tany Toliary tao ho ao. Nodarohin'ny fokonolona ilay jiolahy. Angamba anisan'ireo dimy lahy nanafika tao an-tranon'ilay dadafarako io.
Ny zavatra tsapako dia any Madagasikara ny adim-poko dia rangitin'ireo mpanao politika. Fa raha samy vahoaka mahay mifandefitra sy miara-miaina eo amin'ny fiainana adavanandro na dia eo aza ny fahasamihafana. Efa nahatsapa izany koa aho tamin'ny niaina tany Nosy Be.
Izay fa lava loatra. Misaotra namaky e!
Posted in Fiainana andavanandro . Hametraka hevitra: (2). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Vavako
karako | 18 Septambra, 2007 10:03
Kely loatra ka tsy sahy miandrandra anao akory.
Mpanota loatra ka mivalo noho ny vita mampaory
Ry Raiko mba iantrao ity zaza adala kely saina
Indrafo sy famelana : mba omeo hampody aina
Isan'andro vaky izao tsy mba mety mahatontosa
Ireo hafatrafatrao. Tena hita f'olon'osa
Ka mila hery ho enti-miady, mila tehina hitsanganana
Zazakely lalandava aho ka miandry ho tantanana.
Soa fa teo ny Teninao fanafody mampahery
Soa fa teo ny Zanakao izay nanangona ny very
Ny teninao no lalana, fahamarinana sy fiainana
Ny fitiavanao no mampitraka. Ianao no itarainana.
Karako
02/08/2001
Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (3). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Hiteny gasy ve ?
karako | 08 Septambra, 2007 07:50
Ady hevitra mateti-pitranga izy ity. Indrindra ho an'ny olona izay mipetraka ivelan'ny Madagasikara.
Raha ny hevitro dia tokony hiteny Malagasy rehefa samy Malagasy. Indrindra ao an-trano miaraka amin'ny ankizy. Tsy very amin'izay ny tenin-drazana. Mora manadino manko ny ankizy ary mora mahay ihany koa.
Harena ny tenin-drazana ka tokony ho kolokoloina tsy ho faty e.
Posted in Teny Malagasy . Hametraka hevitra: (8). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Tiako ianao satria...
karako | 07 Septambra, 2007 17:22
Tsara ny fitia izay nomenao ahy
Mamy be satria tsy ananako ahiahy;
Ahy manontolo tsy voazarazara
Fitiavana bontolo sy mangarahara.
Tiako ianao dia ianao, ivelany sy anatiny
Tiako tsotra izao sy laniko ambogadiny :
Ny tsiky moramora tsy tazana matetika,
Ny bikanao midola sy tena mampiherika.
Vao mainka koa sambatra noho izy mianadahy
Simenitra manambatra iaraha-misalahy
Mamatotra ho mafy ilay fitiavana-tanora
Tena fatomaty fa tsy mba goragora.
Tsara ny fitia izay nomenao akia
Mitoky aho fa tia, tiako ianao satria...
Karako
2007-09-07
Posted in Tononkalon'i Karako . Hametraka hevitra: (5). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra
Faly miarahaba
karako | 07 Septambra, 2007 16:46
Betsaka ny zavatra tiana ho lazaina. Betsaka ny zavatra tokony ho tenenina. Fa miady mafy amin'ny fotoana isan'andro isan'andro. Ohatry ny tsisy fotoana izany foana... Fa nahoana ?
Na izany aza hiezaka e.
Tonga soa!
Posted in Ankapobeny . Hametraka hevitra: (0). Verindrohy (trackback):(0). Rohy maharitra